Saron’ny zandary teny Ambohimangakely, afakomaly, ireo tambajotrana mpangalatra moto anisan’ny tompon’antoka amina halatra eto an-drenivohitra. Nisy nangalatra teo amin’ny toerana nipetrahany, teo Bel’Air Ampandrana, afakomaly alina, ny moto miisa efatra. Nahavariana tamin’ity, samy niara-nanjavona ireo moto ireo. Taorian’ny fitarainana nataon’ny tompony, nanokatra fanadihadiana sy fikarohana avy hatrany ny zandary. Nisy ny olona nampiahiahy tamin’ity raharaha ity ka nosamborina. Anisan’izany ny mpiambina teo amin’ilay toerana nipetrahan’ireo moto. Niainga teo ny famotorana ka avy amin’izany no nahafantarana fa any Tsarahasina Ambohimangakely no misy ireo moto very ireo. Nitohy ny fikarohana nataon’ny zandary ka voamarina tokoa ny fisian’ny moto tao amin’io tokantrano iray io. Moto iray hafa kosa hita nandritra ny fisamborana ny jiolahy telo, omaly, teny Ambohimangakely ihany. Tafakatra dimy, araka izany, ireo jiolahy sy mpiray tsikombakomba amin’ity raharaha halatra moto ity. Ahitana mpangalatra sy mpandray ny entana halatra amin’izy ireo. Mampiasa fiara mihitsy ry zalahy hatao fitaterana ireo moto halatra.
J.C