Ankadinondry : lehilahy matin’ny hamamoana tafahoatra

Lehilahy iray 40 taona eo ho eo no hita faty tao Trano vy, faritra Bejofo, fokontany Ankadinondry, afakomaly tolakandro. Tonga nampilaza tamin’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ankadinondry ny sefo fokontany momba ny fisian’ity lehilahy hita faty ity. Nidina haingana teny an-toerana avy hatrany ny zandary notarihin’ny kaomandin’ny tobim-paritra niaraka tamin’ny mpitsabo. Nanao fizahana ny razana ny mpitsabo avy ao amin’ny CSB2 Ankadinondry. Nandritra ny fizahana no nahitana fa maty noho ny hamamoana diso tafahoatra ity lehilahy ity. Tsy fantatra mazava izay havany fa araka ny fahafantaran’ny maro azy dia olona mpirenireny ao an-tsena izy. Tsy manana trano fonenana ihany koa izy raha ny fampitam-baovao voaray. Matetika mamo ity lehilahy ity, araka ny filazan’ireo olona mahita azy eny an-tsena. Tsy nahitana ratra na zavatra mampiahiahy teny aminy. Niroso tamin’ny fitadiavana izay mety ho havany na olona mahafantatra ny havany ny zandary. Nalefa eny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly ny nofo mangatsiakany miandry ny fianakaviany. Mitohy, araka izany, ny famotorana ataon’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ankadinondry.

J.C

Partager sur: