Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy tany Betafo ny samboadin’ny depiote, avy amin’ny mpanohitra. Nanamafy ny maha hery mpanara-maso azy izy ireo.
Nahitsy ny lahatenin’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena sady lehiben’ny mpanohitra, Randrianasoloniaiko Siteny, tany Betafo, ny faran’ny herinandro teo. “Tsy hikoso-maso isika amin’ny fanaraha-maso hentitra ny asan’ny fanjakana”, hoy izy. Nohamafisiny fa tokony ho sahy hampiaka-peo ny mpanohitra. Tokony hitondra ny feo sy ny hetahetan’ny vahoaka ny depiote. Napetraka nandritra ny fotoana ny samboadin’ireo depiote lany tamin’ny alalan’ny vovonana Firaisankina. Nanterin’ny lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimiera ary nanahirana ny mpitondra ny ambarany fa endrika sakantsakana atao amin’ny mpanohitra. Noraisiny ohatra ny nisamborana ny mpiara-dia aminy any Toliary, i Tony Perkins, tamin’ny sabotsy.
Vary lo
Ahina ho voarohirohy amin’ny vary simba tany an-toerana io olon’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny io. “Tokony ho kandidà ben’ny Tanàna ao Toliara, hatolotry ny Firaisankina izy nefa izao iharan’ny ambadika politika izao”, hoy izy. Tsiahivina fa nisantarana ny fametrahana samboady ny depioten’i Betafo, Randriatahianamalala Livasoa. Nohamafisin’ity farany fa efa fandresena lehibe sady miezinezina ny fandraisan’izy ireo amin’ny fomba ofisialy ny toerany. “Tsy handraraka ilo mby an-doha izahay manoloana ny adidy goavana napetraky ny vahoaka aminay”, hoy izy. Nambarany fa iaraha-manana ny fandraisana andraikitra ka nanentanany sy niantsoany ny rehetra.
Synèse R.