FANTINA sy FINTINA

Nanolotra antsam-piderana ho an’ny any Mahajanga ny filoha, Rajoelina Andry, mivady ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra amin’ny famaliana ny hetahetan’ireo mpanakanto ara-pilazantsara nandritra ny antsam-piderana ho an’ny firenena natao ny 23 jona lasa teo, tao amin’ny kianjan’i Mahamasina, izany. Hitohy amin’ny faritra hafa koa aoriana.

Namaritra ireo paikady hiadiana amin’ny kolikoly ny tale jeneralin’ny Bianco, Razakama­nantsoa Gabriel Nestor. Laharam-pahamehana amin’izany ny fandravana ireo tambajotra mpangalatra sy mpanao kolikoly amin’ny ady tany. Eo koa ny fanohizana izany eny anivon’ny fitsarana sy ny fiahiana ary ny fanaraha-maso ireo fanadinam-panjakana.

Tsy handrotsaka kandidà hifaninana amin-dRavalomanana Marc ny Kolektifa, araka ny loharanom-baovao. Nambaran’izy ireo fa tsara toerana indrindra handresy amin’io fifidianana eto Antananari­vo Renivohitra io ny mpanorina ny Tim. Nilaza ny tsy handrotsaka kandidà any Toamasina kosa anefa ny Firaisankina fa homen’izy ireo ny Kolektifa, Ratsiraka Roland izany.

Partager sur: