VAOVAO TAMBATRA

Nendran-drajako no aretina misy izao fa tsy nendrana varika. Manamarika ny Pr. Ratsimbazafy Jonah, fa samy hafa tanteraka ny varika izay misy eto Madagasikara, sy ny rajako, fahita atsy Afrika. Miisa 112 ny karazana varika eto amintsika, izay tsy misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny olombelona.
Miisa 24 ny dobon-trondro efa vitan’i
Jeannot, mpiompy trondro any Ambatomanga, kaominina Analamary, distrika Betroka ary mbola hitariny. Tanjony ny haha matihanina azy amin’ny sehatry ny fiompiana trondro. Notoloran’ny fitantanam-paritry ny Jono (DRPEB) Ihorombe sy Anôsy renin-trondro miisa18 sy zana-trondro miisa 300 ny tenany.
Natao ny 23 aogositra teo, teny amin’ny LTP Toliara, ny varavarana misokatra mahakasika ny fampiofanana ho teknisiana amin’ny fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. Miisa 30 ny tanora naneho ny faniriany hisitraka ny fiofanana. Amin’ny volana septambra ny fisoratana anarana, ary hanomboka ny oktobra ny fiofanana.

Partager sur: