Firenena Japonais: hanohana ny fanitaran-drano ao Toamasina

Vonona hanohana ny tetikasa fanitarana sy fanatsarana ny rafitra famatsian-drano ao Toamasina ny firenena Japo­nais. Voaresaka manokana izany nandritra ny fihao­nan’ny minisitry ny Raha­raham-bahiny, Rasata Rafa­ra­va­vitafika, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny Japonais, Kamikawa Yoko, nandritra ny fivoriamben’ny Ticad. Vonona hanamafy ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ireto tomponandraikitra amin’ny fampiroboroboana ny «Indo-Pasifika malalaka sy misokatra» ary ny fiarovana ny toekarena. Tafi­ditra ao anatin’izay ihany koa ny fampivoarana ny fahaiza-manaon’ny olona amin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Ity farany izay itondrana ny lohahevitra mandritra ny Ticad faha-9 amin’ny taona ho avy. Ankoatra izay, nifanakalo hevitra momba ny olana iraisam-pirenena ny minisitra roa tonta, toy ny fanavaozana ny filankevitry ny fiarovan’ny Firenena mikambana. Voaresaka nandritra izany koa ny hanasongadinana ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa sy ny fiaraha-miatrika ireo tranga maneran-tany.
Tsiahivina fa natao tany Tokyo-Japon, ny 24-25 aogositra teo, ny fivorian’ireo minisitra ao anatin’ny Ticad.

Nanatontosa : Henintsoa H.

Partager sur: