Famokarana anaty rano: seha-pihariana mahavelona

Midadasika, mahatratra hatrany amin’ny 400 km ny sisin-dranomasin’ny faritra Sava ary manana renirano 3 000 miaraka amin’ny matsabory miisa 146, izay ahitana harena an-dranomamy sy an-dranomasina maro. Azo trandrahina tsara sy mahavelona ny famokarana atirano. Miteraka asa sy mampidi-bola ho an’ny tokantrano izy ary antoka ho an’ny fihariana ifotony. Tombony ho an’ny faritra ny fananana sisin-dranomasina azo ampiasaina ho fampiroboroboana ny toekarena sy ny toekarena manga. Mbola malalaka sy manome asa mendrika ho an’ny tanora ny fiompiana trondro. Voaresaka indrindra izany nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny famokarana ny atirano (JNA) andiany fahatelo, tany Sava, ny herinandro teo. Nilaza ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), Mahatante Tsimanaorate Paubert, fa nofidiana manokana ny faritra noho ny fananany ireo harena an-dranomamy sy an-dranomasina maro. Araka izany, tanjon’ny minisitera ny hampiroborobo sy hampivoatra hatrany ny sehatry ny jono, hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, hanomezana asa ny tanora, sy fanatsarana ny vola miditra amin’ny tokantrano tsirairay.

Zana-trondro
Manampy betsaka amin’ny famokarana zana-trondro hatrany amin’ny 1 tapitrisa isan-taona ny « Zone d’émergence piscicole » (ZEP) ao Antsatsaka, fokontany Ankevaeva, distrika Andapa, faritra Sava. Nitady vahaolana ara-teknika ny minisitra nandritra ny fidinana ifotony nataony. Nanome toky izy fa ho tonga any an-toerana tsy ho ela ny « surpresseur » hanamboarana ny tohodrano simban’ny rivodoza farany teo.
Ankoatra izay, nihaona sy niheno ny hetahetan’ny mpiompy trondro tany amin’ny faritra ihany koa ny minisitra. Tsiahivina fa nankalazaina ny 22 ka hatramin’ny 24 aogositra teo, tao Sambava, faritra Sava, ny JNA tamin’ity taona ity.

Partager sur: