Nanafatrafatra ny rehetra ny eo anivon’ny fiangonana Katolika, tamin’ny alalan’ny kardinaly Tsarahazana Desiré, tany Antsiranana. Voaresaka ankolaka ny momba ny raharaham-pirenena.
“Lasa mody mihavana isika raha miaina ao anatin’ny tsy fahamarinana, manambaka ny hafa, manao tsindrihazolena. Lasa mody mihavana isika raha mbola miaina ny fanavakavahana”. Io ny hafatry ny arsevekan’i Toamasina, ny kardinaly Tsarahazana Désiré, tamin’ny famaranana ny Kongresy eokaristika nasionaly (Ken), izay natrehin’ny solontenam-panjakana tamin’ny alalan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tany Antsiranana, afakomaly. Ny fankalazana ny eokaristy dia manampy ny tena hiaina ny fihavanana marina. Mila hatsarain’ny Evenjely ny fihavanana, izay soatoavina amintsika Malagasy. Mbola be ny ezaka tokony hatao momba izany.
Fihavanana, tsy misy fihatsarambelatsihy
“Fanamby lehibe ho antsika vokatr’izao Kongresy eokaristika izao ny fiainana ny fihavanana marina, tsy misy fihatsarambelatsihy. Manomboka eo amin’ny tenantsika izany, ao amin’ny fianakaviantsika. Mba ho hita taratra ho azy eny amin’ny fiarahamonina sy aty am-piangonana”, hoy kosa ny sekretera jeneralin’ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara sady evekan’i Tsiroanomandidy, ny Mgr Randrianantenaina Gabriel. Voaantso ho mpiaro ny aina ny tena, fa tsy natao hamono na hanala ny aina amin’ny endriny samihafa. Toherina, araka izay tratran’ny aina, ny fikasana sy ny fanirian-dratsy rehetra hamono olona na mivantana na ankolaka. Mila sahy mijoro ho kristianina mpitondra aina ny tena fa tsy mpamono aina, satria eokaristy velona: sakafo zary aina. Ilaina ny fahasoavana vokatry ny eokaristy hahatonga ny tena sahy hanohitra sy hanalavitra ny kolikoly.
R. Nd.