Isandra : hijery ny sosialy ny depiote Raoto

Tontosa ny faran’ny herinadro teo, teo amin’ny kaominina Anjomanitsara, ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny depioten’ny distrikan’Isandra, Raoto Ralambozafy. Namba­rany fa hifototra amin’ny andry dimy ny fampandrosoana any an-toerana: ny fampianarana, ny fandrimpahalemana, ny fa­hasalamana sy ny fambolena ary ny fiompiana. “Faritra mena ny aty Isandra teo aloha fa efa fongotra ny asan-dahalo amin’izao fotoana izao noho ny ezaka natao ary nahazoana vokatra tsara”, hoy izy. “Hohamafisina hatrany izany mba hi­laminan’ny vahoaka ahafahany mamokatra am-pitoniana”, hoy izy nanantitrantitra ny tanjona kendreny.
Natsidiny sahady koa fa hotanterahina amin’ireo kaominina 13 mandrafitra ny distrikan’ Isandra ny fitsaboana maimaimpoana. Efa nanombohana izany ny ao Anjomanitsara. Hampiana ireo ankizy sy ireo tanora ao anatin’ny distrikan’ Isandra amin’ny fampianarana. “Hatao laharam-pahamehana ny fampidiran’azy ireo any an-tsekoly. Efa misy lamina sy tetika mba hahafahana mampirisika sy manampy ireo ray aman-dreny amin’ny famolavolana ny toe-tsaina sy ny fijerena ireo fotodrafitrasa tokony hifanaraka amin’izany”, hoy izy namarana ny fanazavany.
Nofararana tamin’ny sabotsy ihany koa ny andiany faha-17, ny “Festival vahoaKan’Isandra Miray hina” na ny Kim. Hetsika manasongadinana ny kolontsain’iny faritra iny sy ny lafiny fanatanjahantena.

Synèse R.

Partager sur: