Maroseranana: lehilahy maty voakapa famaky ny lohany

Hita novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny raim-pianakaviana iray tao Antevialabe, fokontany Ambatolampy, kaominina ambanivohitr’i Maroseranana, ny alahady 25 aogositra lasa teo. Nahazo antso ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fetraomby momba ny fisian’ity raim-pianakaviana hita faty ity. Nidina haingana teny an-toerana ka voamarina tokoa izany. Nisy namono tao amin’ny toerana nipetrahany ao Antevialabe izy, ny sabotsy alina. Voalaza fa jiolahy telo no tompon’antoka tamin’ny fanafihana azy. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny gony feno akanjo niaraka tamin’ny vola. Tsy nanaiky lembenana anefa izy fa niezaka nanohitra ireo olon-dratsy ka novelesin’ireo jiolahy ny hazobe ny hatony, voakapa famaky koa ny lohany. Vokany, maty tsy tra-drano izy noho ny ratra mafy nahazo azy. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo nahavanon-doza. Fantatra tao anatin’ny fanadihadiana fa mpitrandraka volamena avy aty Antananarivo ny roa amin’ireo jiolahy. Tsy mbola hita kosa ireo jiolahy. Mandeha, araka izany, ny fikarohana ataon’ny zandary amin’izay toerana mety ahitana ireo olon-dratsy.

J.C

Partager sur: