Tsy misy tandroka ny ratsy! Lasan’ny mpiasan’ny banky iray ao Ambovombe Androy ny volabe 335 tapitrisa Ar, afakomaly, araka ny tatitra nataon’ny Tale jeneralin’io banky io tamin’ny zandary ao an-toerana. Voalazan’ny fampitam-baovao fa ny 25 aogositra 2024 teo no niseho ny halatra nataon’io mpiasan’ny banky io. Tsy hita tampoka izay nanjavonany nanomboka tamin’io andro io sady tsy tratra antso tamin’ny finday intsony koa. Hita tao anatin’ny Caméra de surveillance ity mpiasa ity nanokatra ny vatamafihidin’ny banky ka nitondra izany tanaty baoritra lehibe. Nohidiany io vata io ka niala tao amin’ny toeram-piasany izy niaraka tamin’ilay baoritra feno vola, nampiditra izany tao anaty fiara. Nandritra ny fanadihadiana savaranonando tamin’ireo mpiambina ny banky no nahafantarana fa hitan’ireo mpiambina ilay mpiasan’ny banky nitondra fiara 4×4 miloko mainty nihazo aty Antananarivo. Izy rahateo no teo amin’ny familiana, araka ny fanazavan’ireo mpiambina hatrany. Fantatra tao anatin’ny fanadihadiana fa mipetraka any Morondava ny vadin’io mpiasan’ny banky io ka mety hamonjy io vadiny io izy. Nandray fepetra avy hatrany ny zandary, tamin’ny alalan’ny fametrahana sakana amin’ireo toerana mety handalovan’ity mpiasan’ny banky nivadika ho jiolahy ity. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana momba ity halatra avolenta ity.
Jean Claude