Anatin’ny fanomanana tanteraka ny fifidianana ho ben’ny Tanàna ny Vaomiera manokana na ny Ceni. Hitafa amin’ny mpisehatra rehetra voakasik’izany izy ireo, anio.
Hotanterahina, anio, eny Alarobia, ilay sehatra ifanakalozana sy ifampizarana vaovao iarahan’ny Ceni sy ireo mpisehatra amin’ ny fifidianana. Hiompana indrindra amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna izany sady hanomanana ny fiatrehana fifidianana, araka ny nambaran’ izy ireo. “Anisan’ny horesahina sy hampahafantarina amin’ izany ny momba ny antontan-taratasy ilain’ny kandidà ahafahany mirotsaka hofidina sy ny fampahatsiahivana ireo tetiandro samihafa. Hazavaina ao avokoa ny momba izany”, hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Andriamalazaray Ando.
Etsy andaniny, natsidiny fa tokony ho vita 45 andro mialoha ny fanontana ny biletà tokana sy ireo taratasim-pifidianana any Afrika Atsimo ireo dosie ireo. Mbola miankina amin’ny isan’ny kandidà, isaky ny fari-pifidianana koa anefa izany, araka ny nambarany. “Tsy mitovy ny isan’ny mpifidy isaky ny kaominina ka miankina amin’izany ny hamaritana ny isan’ireo hatonta”, hoy ihany izy. Nambarany koa fa anisan’ny asa goavana miandry ny Ceni ny fanapariahana manerana ny Nosy ireo taratasim-pifidianana sy ny biletà tokana ireo rehefa voatonta avy any Afrika Atsimo.
Ankoatra izany, nambaran’ ny Ceni fa eo hatrany ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny haino vaky jery sy ny fiarahamonim-pirenena ary koa ny antoko politika amin’ny hiatrehina ny fifidianana. Tafiditra ao anatin’izany izao fihaonambe, atao anio, eny Alarobia izao.
Synèse R.