Maevatanana : dahalo iray maty voatifitry ny zandary

Lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny poste fixe Bevilany tao Bekipoly An­tanam­bao kaominina ambanivohitr’i Tsararano, distrikan’i Maevatanana, afakomaly, ny dahalo raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana. Nahazo antso avy amin’ireo tanora milatsaka an-tsitrapo miady amin’ny asan-dahalo ao an-toerana ny zandary, izay fantatra amin’ny anarana hoe : Voromahery Dina, momba ny fisian’ireo andian-dahalo manao fanafihana. Manao asa fiambenana ny tanàna ao Bekipoly ireto tanora ireto. Kanjo, tamin’io fotoana io no nisy andian-dahalo miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika mikasa hanao fanafihana ao an-tanàna. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary niaraka tamin’ny fokonolona tao an-tanàna. Nanao sakana tamin’ireo kizo mety handehanan’ireo malaso ny zandary tamin’io fotoana io. Efa tsara ambina avokoa ny kizo rehetra. Tampoka teo anefa, nipoitra avy any ny dahalo am-polony sady nitifitifitra tamin’ny basy. Raikitra teo ny fifandonana tamin’ny alalan’ny fifamaliana tifitra. Vokany, dahalo iray maty voatifitra. Dahalo hafa koa naratra saingy nentin’ireo namany nitsoaka. Mafy ny fifandonana satria naharitra teo amin’ny antsasak’adiny izany, araka ny tatitra nampitain’ny zandary avy any an-toerana. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny zandary amin’ny fikarohana ireo dahalo tafaporitsaka.

J.C

Partager sur: