Hita, omaly, ny nofomangatsiak’ireo olona roa tamin’ny faharendrehan’ny botry iray tao Mahajanga. Niainga avy ao Mahajanga hihazo an’Ampitsompitsoka Namakia ity botry ity kanjo izao tra-doza tampoka izao. Zazakely roa taona ny iray amin’ireo namoy ny ainy nantsingevan’ny ranomasina.
Tratran’ny polisy mpanao fisafoana ireo jiolahy roa tao Tsiroanomandidy. Ny iray nitondra kitapo feno rongony saika haparitaka tao an-toerana. Ny iray hafa kosa tratra teo akaikin’ny biraon’ny prefektiora nanosika moto halatra. Tsy nisy taratasy rahateo ilay kodiaran-droa natosiny. Nogiazana avy hatrany ilay moto.