Toliara: Jiolahy iray maty voatifitry ny polisin’ny UIR

Maty voatifitry ny polisy tao anaty ala honko, omaly, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana. Teo am-pikasana ny hanafika izy sy ireo namany no nifanehitra tamin’ny polisy…

Maty rotiky ny balan’ny polisin’ny UIR tao anaty ala honko ao Ambohitsabo Toliara, omaly atoandro ny jiolahy raindahiny antsoina hoe i Alain. Teo am-piomankomanana hanafika tao Ambohitsabo Besakoa izy sy ireo namany no nifanehatra tampoka tamin’ny polisy. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny polisy, niafina tao anaty ala honko ry zalahy sady nanomana ny paikady rehetra hanaovana fanafihana ao Besakoa. Nisy nahatsikaritra anefa izy ireo tao anatin’io ala honko ka nampandre haingana ny polisy. Fotoana fohy taorian’izay, tonga tao amin’ilay ala honko nieren’ireo jiolahy ny polisy. Raikitra ny fifanjevoana satria tsy nanaiky lembenana ireo olon-dratsy ka niafara tamin’ny fifandonana izany.

Maro ny fanafihana vitan’i Alain…
Mafy ny fifandonana, maty voatifitra i Alain. Tafatsoaka kosa ireo namany mpiray tsikombakomba taminy. Tao anatin’ny famotorana no nahafantarana fa jiolahy efa nokarohin’ny polisy hatry ny ela i Alain sy ny ekipany. Maro ny fanafihana vitan’izy ireo tao an-drenivohitr’i Toliara sy ny manodidina. Tsy vitan’ny manao fanafihana izy fa sady mamono olona ihany koa, raha ny tatitra voaray hatrany. Mandeha ny savahao ataon’ny mpitandro filaminana ao Toliara sy ny manodidina amin’ny fikarohana ireo jiolahy telo tafaporitsaka. Misy fitaovam-piadiana mahery vaika koa any amin’ireo jiolahy tafatsoaka ireo, araka ny fanadihadiana voaray.

J.C

Partager sur: