Avotra soa aman-tsara ny renim-pianakaviana iray teraka an-dalana teo akaikin’ny fanariam-pako, eny Antanimena, afakomaly. Niezaka nifanome tanana taminy ireo olona nahita izany mialoha ny nahatongavan’ny mpamonjy voina. Efa nentina namonjy hopitaly izy mianaka ka tsy nisy atahorana.
Hita tao anaty taksiborosy nandritra ny fisavan’ny zandary ao Andranohinaly, Toliara II, RN7 PK 885, afakomaly, ny rongony milanja 5 kg nentin’ny renim-pianakaviana iray. Avy any Sakaraha hihazo an’i Toliara ity renim-pianakaviana ity niaraka tamin’ireto zava-mahadomelina ireto. Nafenina tao anaty gony feno lamba, tao ambony fiara, ireo rongony ireo.