Vahaolana iatrehana ny fahatapahan-jiro ny fitrandrahana ny angovo azo havaozina. Hitondra ny anjara biriky, hizara maimaimpoana ny fahaiza-manaony ireo teknisiana, anio.
Hotanterahina eny amin’ ny LTP Alarobia, rahampitso, ny varavarana misokatra hampahafantarana ny fampiofanana ho teknisianina matihanina amin’ny fampiasana fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. Hizara ny traikefany, eny an-toerana, ireo matihanina. Hisy ny horonantsary momba ny asa. Fotoana hahafahan’ny tanora mahalala bebe kokoa momba ny sehatra ny hetsika, toy ny natao tany amin’ny LTP Toliara. Araka izany, afaka miofana
ho teknisianina matihanina amin’ny fampiasana fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ny tanora, manomboka amin’ny 18 ka hatramin’ny 25 taona. Marihina fa efa nianatra momba ny elektronika hatramin’ny ambaratonga fahatelo no afaka manao izany. Afaka miditra an-tsehatra ihany koa ny ireo efa nianatra hatramin’ny kilasy famaranana siantifika, manana bakalorea na tsia. Manampy azy ireo izay manana mari-pahaizana BEPC, miampy traikefa roa taona amin’ny fikirakirana herinaratra.
Mamatsy vola ny hetsika ny governemanta Alemà amin’ ny alalan’ny tetikasa “Perer” an’ny Giz Madagaskar sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Eo ihany koa ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo ary ny LTP Alarobia.
Henintsoa H.