Hampitoviana ny fomba hanatrarana ny tanjona fahatelo voaraikitry ny Lasitra maneran-tany ho an’ny karazan-javamananaina, antsoina hoe 30×30.
Satria tsy afa-misaraka ny fampandrosoana, ny fanomezan-danja ny maha olombelona ary ny fikajiana ny karazan-javamananaina. Voafaritra ao anatin’ny Fifanarahana mahakasika ny fifahasamihafan’ny zavamananaina (CDB) natao tany Rio Brezila, ny taona 1992, izay nankatoavin’i Madagasikara ny taona 1995.
Atao omaly sy anio, eto Antananarivo, ny atrikasa hampitoviana ny fijery, ny fiasa entina hanatrarana ny tanjona andraisan’ireo mpisehatra rehetra voakasika avy amin’ny fanjakana, ny mpitantana faritra arovana, sns. Nanazava ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, Rasamoelina Moïse, fa miisa 23 ny tanjona mila tratrarina ao anatin’ity 30X30 ity, araka ny fifanarahana iraisam-pirenena samihafa. Midika ho voaaro ny 30% ny karazan-javamananaina an-tanety sy an-dranomasina amin’ny 2030. Ho an’i Madagasikara, ezahina ny hampitomboina 20% ny faritra arovana. Izany hoe, ampiana 3 tapitrisa ha ny faritra arovana raha 9 tapitrisa ha no efa misy izao. Mila fiaraha-mientan’ny rehetra izany, toy ny mpitantana ny Faritra arovana, ny fikambanana na ONG iraisam-pirenena sy eto an-toerana, ny fiarahamonim-pirenena (OSC), ny vondron’olona ifotony. Tanjona lavitr’ezaka ny hananana sy hikajiana ireo karazan-javamananaina ireo mba hitondra fampandrosoana maharitra ho an’ny taranaka.
Njaka A.