Nanao fanambarana ny olobe any amin’ny distrika Toliara I sy II, omaly. Toherin’izy ireo ny mpanohitra ny tetikasa mitondra fampandrosoana ho an’i Toliara.
Nisy andian’olona vitsy nanao fihetsiketsehana, tsy mankasitraka ny hisian’ny fivoarana any Toliara, fotoana vitsy lasa izay. Toherin’izy ireo ny tetikasa tokony hampandroso ny any an-toerana, na dia mbola ao anatin’ny fifampiraharahana aza. Misy mpanao politika manararaotra izany, mandiso ny saim-bahoaka mahakasika ilay tetikasa.
Manoloana izany, manameloka tanteraka ny fanakorontanana ny hisian’ny fampandrosoana ireo olobe any amin’ny distrika Toliara I sy II. Tsy eken’izy ireo ny fanelezana vaovao tsy marina, sady mampihorohoro ny vahoaka malagasy manontolo, indrindra ny any Toliara. Ho azy ireo, efa manahirana ny zava-misy iainan’ny mponina. Satria, tsy misy ny asa, tsy manana ny hoaviny ny tanora, tsy misy ny orinasa miforona ho an’ny toekarena any an-toerana. Manjaka ny tsy fandriampahalemana sy ny asan-jiolahy, tsy mandroso ny fihariana andavanandro toy ny fambolena, ny fiompiana, ny jono, sns.
Tsy ho «fasan’ny tetikasa» intsony
Manohana tanteraka ny tetikasam-pampandrosoana ireo olobe. Nomarihin’izy ireo fa maro ny tetikasa nokasaina na natao tany Toliara, saingy maty momoka daholo, mahatonga ny fitenenana hoe «fasan’ny tetikasa i Toliara». Raha raisina amin’io, manontany tena ny olobe sy ny besinimaro, «inona ny antony hanoherana tetikasa hita fa mitondra fandrosoana»?
Manameloka tanteraka ny fihetsik’ireo mpanohitra ireo ny oloben’i Toliara I sy II. Miantso ny fanjakana hanohana ny tetikasa matotra sy tompon’andraikitra, izay fantatra fa tena hitondra fampandrosoana an’i Toliara, satria efa tafahoatra ny fahantrana nandritra ny taona maro. Mila mitsinjo ny tombontsoan’ny besinimaro ny mpanao politika. Hampitsahatra ny fahataran’ ny fandrosoana ny fanombohana ny tetikasa.
Njaka Andriantefiarinesy