Angovo azo havaozina : ampitomboina ny toby avy amin’ny tohodrano

Mamatsy vola ny tetikasa amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Madagasikara ny banky koreana, Eximbank. Anisan’izany ny famatsiam-bola hananganana tohodrano mamokatra herinaratra any Antetezambato Ambatofi­nan­drahana, manana tanjaka 60MW, hanampy ny 140 MW. Hanampiana ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (Ria) izany. Eo koa ny fanamboarana ny fotodrafitrasa, ny zotra mampita herinaratra vokarin’ity toby any Antetezambato ity.
Hovatsian’ity banky ity vola koa ny fananganana ivontoerana mpamokatra herinaratra avy amin’ny rano any amin’ny reniranon’i Talaviana Fianarantsoa. Hanampy ny Tambajotra iraisan’Antananarivo ihany koa ity toby vao haorina ity.
Tsiahivina fa efa misy ny tetikasan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo amin’ny fananganana toby mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, hapetraka any amin’ ny distrika miisa 46, manana tanjaka 50 MW tsirairay avy.

Njaka A.

Partager sur: