Anisan’ny mifamatotra akaiky amin’ny « fety » ireto : hira, dihy. Tsy voatery ho mpanakanto ihany vao afaka manatanteraka ireo amin’ny vanim-potoana tahaka izao. Maro rahateo ny sehatra ahafahana manatanteraka izany. « Fetin’ny Noely », any an-tokantrano, any am-piangonana, iraisan’ny fianakaviana, sns. Maro ny manan-talenta fa itoeran’ny henatra. Tsy vitsy ireo tokony hipoitra fa tsy manana sehatra hanatanterahina izany. Fanararaotana hanalana ireny karazan-tsakana ireny ny « Fetin’ny Noely » sy izay iray tarika aminy, tahaka ny fankalazana ny taom-baovao gregorianina.
Mpanakanto maro, na ny eto an-toerana na ny any ivelany no nipoitra avy any anatina antoko mpihira any am-piangonana. Maro tahaka izany ihany koa ny talenta voatily ao anatina fetim-pianakaviana, raha eo amin’ny tontolon’ny dihy. Tsy azo hadinoina rahateo fa anisan’ny manan-talenta goavana amin’ireo (hira, dihy, fitendrena zavamaneno…), ny Malagasy.
Na izany aza, tsy ampy ny mitsinjaka tsy amin’amponga, ny mihira tsy arahina henatra fa atosiky ny zavatra hafa, ny mitendry tsy laitra atoro… Izany hoe, fakana lesona ihany koa ny vanim-potoana tahaka itony Noely itony. Toraka izany koa ny fankalazana ny taom-baovao gregorianina izay ho avy tsy ho ela. Fotoana fakana tahaka ho an’izay mahay manararaotra avokoa ireo.
HaRy Razafindrakoto