Ary i Kiady toa tsy namoaka hira intsony? Fanontaniana heno matetika avy amin’ireo mpankafy azy izany. “Manao mozika foana aho, mamorona foana ihany koa. Betsaka aza ny hira vaovao satria efa mahatratra 80 eo ho eo izao ireo hira noforoniko. Ny fanapariahana azy sy ny fandefasana amin’ny haino aman-jery no tsy dia nisy, fa ireo izay manatrika ny seho manokana ataoko matetika dia efa mahay ny sasasantsany”, hoy ny nambaran’i Kiady.
Ho porofon’izany, vao avy namoaka ny rakitsary “Zatra loatra anao”, ity mpanakanto havanana amin’ny hiram-pitiavana ity. Hira izay niarahany amin’i Elsie, hatomboka hampahafantarina amin’io herinandro io. “Noho izay fanontanian’ny mpankafy miverimberina izay indrindra no nahatonga ahy sy ny mpiara-miasa amiko hiezaka hampahafantatra ireo vokatra rehetra. Ho maromaro ny fiaraha-mihira amin’ny namana ato ho ato. Hisy raki-kira ihany koa amin’io taona ho avy io”, hoy hatrany ity mpanakanto ity.
Fantatra fa miara-miasa amin’ny Ampinga, trano mpamokatra horonantsary sy feo i Kiady amin’ny tetikasa ho avy. Manomana ny fiakarana an-tsehatra amin’io taona ho avy io ihany koa izy. “Nisy foana ny fiakarana an-tsehatra, saingy ny ankamaroany seho manokana ka tsy fantatry ny maro. Ny azoko antoka kosa anefa dia tsy maintsy hisy fampisehoana ho hataoko amin’ny St Valentin…”, hoy i Kiady nampanantena ny mpankafy azy.
Zo ny Aina