Zava-dehibe ny fahafantarana ny zava-misy sy ny vitan’ny teo aloha ahafahana manatsara sy manasongadina ny aty aoriana. Izany indrindra no antom-pisian’ny fampirantiana tao anatin’izay fotoana izay.
Miditra amin’ny andro farany, hamaranana ny fampirantiana mahakasika ny Slam Malagasy, ny etsy amin’ny Ivotoeran’ny Kolontsaina Malagasy na IKM Antsahavola. Tanjona ny hampahafantarana ny ankizy aty aorina ny tantarany, ireo mpitondra nifandimby tao aminy ary ny zava-bita nandritra ny taona maro nijorony. Hitohy amin’ny hetsika fankalazana ny faha-15 taonan’ny fikambanana ny fampiratina.
Sarin’ny mpitondra ny fikambanana Madagaslam hatramin’ny niforonany, ireo mpandresy nandritra ny andiany nifanesy, sary famatarana ny andiany isan-taona. Akanjo nentina nanamarika ny andiany rehetra ary sarin’ny solo-tena an’i Madagasikara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Izany rehetra izany no aranty eny amin’ny IKM Antsahavola. Tao anatin’ny telo herinandro no nanaovana izany. Tsikaritry ny mpikarakara fa ny herinandro farany no tena maro mpitsidika. “Manomboka liana amin’ny Slam ny tanora Malagasy. Tao ireo efa nahasahy naneho ny talentany, misy kosa ny miditra ho mpankafy. Taratra izany nandritra ny “festival Slam national” andiany faha-13, sy nandritra ity hetsika ity”, hoy ny Tompon’andraikitra.
Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny fikambanana Madagaslam. Hiditra amin’ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny fikambanana ny mpikambana. Fankalazana izay tanterahina manomboka ny desambra 2022 ka hatramin’ny desambra 2023. ” Maro ny vina sy ezaka ao anatin’ny fankalazana. Eo ny fampitombona ny atrikasa sy fifanakalozana eo amin’ny samy mpanao Slam. Hisy ny famerenana ny fifaninanana handraisan’ny sekoly ambaratonga voalohany anjara. Farany, ny fampitomboana ny mpanohana sy ny mpiara-miasa ho tombotsoan’ny Slam Malagasy” hoy i Tajero, Slamoureux.
Lin