Niafara tamin’ny vonoan’ olona ny lanonam-pianakaviana tao amin’ny fokontany Ambalanaomby I Vohilava, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo fampitam-baovao avy amin’ny ben’ny Tanàna ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Vohilava momba ny fisian’ny ady nahafatesan’ olona tao amin’ity lanonam-pianakaviana iray ity. Nidina haingana tany an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy ao amin’ny CSB2 Vohilava hanao fizahana sy hanokatra fanadihadiana momba ity raharaha ity. Tonga tany an-toerana ny zandary saingy efa nentin’ny havany any amin’ny tany niaviany any Antenimazana Morafeno, distrikan’i Mananjary, ilay olona maty. Nanohy ny diany hatrany ny zandary ka tonga tao Morafeno. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo zandary avy any Vohilava no nahafantarana fa maty vokatry ny fahaverezan-dra be loatra noho ny kapoka tavoahangy niantefa teo amin’ny lohany sy ny fihirifany ity lehilahy ity. Lehilahy iray sy ireo namany monina aoVohilava no tompon’antoka tamin’izao vonoan’olona sy ratra niniana natao izao. Lasa nandositra avy hatrany izy ireo rehefa avy nikapoka tavoahangy ny lohan’ilay lehilahy niharam-boina. Mitohy ny fikarohana ataon’ny zandary an’ireo nahavanon-doza. Fantatra tao anatin’ny fanadihadiana savaranonando fa lonilony hatry ny ela teo amin’ilay lehilahy niharam-boina ny anton’izao vonoan’olona izao.
J.C