Tetikasa Produir: Vita ny fanarenana ny vahilavan’ Ikopa sy i Sisaony

Ampahany voalohany amin’ny asa ataon’ny tetikasa Produir ho fiarovana an’Antananarivo amin’ny tondradrano ny fanarenana ny vahilavan’Ikopa sy i Sisaony. Vita tanteraka ny asa, ankehitriny.

Mitombo izaitsizy ny mponina amin’ny tapany atsimon’Antananarivo Renivohitra. Nohazavain’ny mpandrindra ny Tetikasa fampandrosoana ny tanàn-dehibe sy ny fiarovana an’Antananarivo (Produir), Rasolo­fojaona Haja, fa anisan’ny fotodrafitrasa miaro ny lemak’ Antananarivo amin’ny tondradrano ny vahilavan’Ikopa sy i Sisaony. Tratry ny fihotsahan’ny tany sy ny fikaohan’ny riaka foana ireo renirano roa ireo ary vaky ny vahilava, talohan’ny nisian’ny tetikasa Produir. Teo koa ny asa isan-karazany ataon’ny olombelona amin’ny renirano.
Vita tanteraka ny asa, ankehitriny. Mahatratra 3,020 km ny halavan’ny vahilava nohamafisina sady nohatsaraina. Mirefy 1,300 km ny narenina manodidina ny renirano roa. Anisan’ny asa natao farany, ny fanamboarana lakandrano vonjimaika nanamorana ny asa. Nomarihin’ny mpandrindra ny Produir ihany koa fa tafiditra ao anatin’ny fanarenana natao ny fanatsarana sy fanamafisana ny moron’ny renirano amin’ny ilany havian’Ikopa, ny vahilava amin’ny sisiny havia ny reniranon’i Sisaony. Nohavaozina sy nohamafisiny koa ny sisin’ny renirano.
Maherin’ny 430 000 ny olona hiantraikan’ity asa natao ity, ho voaaro amin’ny tondradrano eto amin’ny lemak’Anta­nanarivo. Mbola hitohy ny asa fanamafisana ny vahilava.

Fanadiovana ny lakandrano C3

Tafiditra ao anatin’ny asa sahanin’ny tetikasa Produir ihany koa ny fanarenana sy ny fanamafisana ary ny fanadiovana ny lakandrano C3. Mirefy 12 km, mahakasika fokontany 12, miainga eny Anosibe Namontana, mandalo an’Andava­mamba, 67 ha, Antohomadinika, Ankasina, mipaka hatrany Ambodimita, mirefy 12 km. Anisan’ny hatao ny fanalana ny fotaka, izay hafindra any amin’ny toerana manokana. Misy koa ny fanorenan-trano ho an’ny olona nesorina manodidina ny lakandrano.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: