Nidina tany amin’ny faritra Menabe ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), i Fontaine Max Andonirina, ny 30 aogositra teo. Nisy ny fihaonany tamin’ireo mpisafo ala, ny mpitantana ny alan’i Kirindy ao anatin’ny Faritra Arovana Menabe Antimena (Apma) ary ny mpianala ao anivon’ny Fitantanam-paritra, Dredd Menabe. Nankaherezin’ny minisitra izy ireo amin’ny asa fiarovana ny harena voajanahary ao anatin’ny alan’i Kirindy.
Nomarihin’ny minisitra Fontaine Max Andonirina, fa asa sarotra ny ady amin’ny afo, ka anisan’ny vahaolana ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny mponina eny ifotony sy ny fampiasana ny teknolojia vaovao. Tanjona ny hamonoana haingana ny afo sady hiarovana ny ain’ireo mpianala sy mpisafo ala. Tsiahivina fa nisy ny famonoana nandratra mpianala iray tany an-toerana, , nandritra ny fanatanterahany ny asany, volana vitsy lasa izay.
Njaka A.