Maromaro ny olona voarohirohy amin’ny fanodikodinam-bolan’ny Tahirimbola ho an’ny fiompiana (FEL). Nisy ny fanadihadiana nataon’ny Bianco, ka voampanga amin’ny raharaha kolikoly miisa enina tamin’ny taona 2022 izy ireo, izay mitentina 260 tapitrisa Ar. Toy ny fanomezana tsenambaro- panjakana amin’ny famatsiana akanjo, kojakoja sy fitaovana teknika amin’ny fampanarahana biby fiompy.
Taorian’ny fiatrehana ny fampanoavana, ny 30 aogositra teo, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny tale jeneraly (DG) ny FEL teo aloha sy ramatoa iray miandraikitra ny fitantanana sy ny fanomezana ny tsenambaro-panjakana (UGPM) ary ny reniny, izay tompon’ny orinasa nahazo ny tsena.
Fantatra fa nisy ny kitranoantrano tamin’ny fanomezana ny tsenambaro-panjakana, satria renin-dramatoa UGPM ihany ilay tompon’ny orinasa nahazo ny tsena. Filohan’ny mpanome ny tsenambaro-panjakana ihany koa ny DG ny FEL teo aloha, sady mpanome alalana faharoa (Ordonnateur secondaire) ny tsena.
Njaka A.