Fandraharahana: Hiara-hiasa ny Mic sy ny Gem

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic) vaovao, Ralambofiringa David, ny filohan’ny vondron’ny orinasa eto Madagasikara (Gem), Rabarijohn Francis, ny herinandro teo. Voaresaka manokana ny fanamby sy ny laharam-pahamehan’ny sehatra tsy miankina ary ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Voaresaka koa ny fiarovana ny indostria eto an-toerana amin’ny alalan’ny National Authority for Commercial Corrective Measures (ANMCC). Teo ihany koa ny handrindrana ny Politikan’ny fadintseranana sy ny Poli­tikan’ny indostria, ary ny olana eo amin’ny angovo. Ankoatra izay, voaresaka nandritra ny diniky ny roa tonta ny fampiroboroboana ny fotodrafitrasa, toy ny lalana, ny lalamby ary ny Fehezan-dalàna vaovaon’ny fadintseranana ho an’ny faritra malalaka. Tao ihany koa ny fanaraha-maso ny hetra. Nifanaraka, araka izany, ny roa tonta fa atao matetika ny fihaonana toy izao mba hitondra vokatsoa sy hampahomby hatrany ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara.

Fanondranana
Nivoitra nandritra ny dinika ny fampivoarana ny fanondranana iarahana amin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) sy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny alalan’ny tetikasa «One District, One Factory» (Odof). Nasongadin’ny minisitra Ralambofiringa ny fampivoarana ny indostria amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola, eto an-toerana sy avy any ivelany, ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana hampihenana ny fanafarana.
Ankilany, nihaona tamin’ny solontena vaovaon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) eto Madagasikara, Kodjovi Mawulikplimi Eklou, ihany koa ny Filohan’ny Gem nidinika momba ny fandraisan’anjaran’ny sehatra tsy miankina, ny fitondram-panjakana ary ny FMI amin’ny fandaharanasa, toy ny Facilité élargie des crédits (Fec) sy ny Fonds de résilience et durabilité (FRD). Voaresaka ny tokony hisian’ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny rafitra iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny sosialy sy ny toekarena eto amin’ny firenena.

Henintsoa Hani

Partager sur: