Judo-Mada 2022: fifaninanana hamaranana ny taona

Toy ny mahazatra, hofaranana amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, ny taom-pikatrohana 2022, ho an’ny taranja Judo. Ny sokajy Minimes, Cadets, Juniors ary Seniors no hifaninana mandritra izany. Fifaninanana hatao ny 28 sy 29 desambra 2022 eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Tsiahivina fa tontosa antsakany sy andavany avokoa ny fandaharam-potoan’ny federasiona malagasy ny Judo tamin’ity taona ity. Io fifaninananam-pirenena io sisa no ho vitaina hamaranana tanteraka ny taona. Kihon-dalana farany ihany koa ity fiadiana ny  ho tompondaka an’i Madagasikara ity. Mandritra izany no hitiliana ireo Judokas mendrika hifantenana izay ho ao anaty lisitry ny ekipa nasionaly, hiatrika ny fampivondronana ho amin’ny lalaon’ny nosy 2023. Eo koa ny fanomanana izay mety ho fifaninanana iraisam-pirenena handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny taona ho avy. Azo antoka, araka izany, fa ho tazana amin’io 28 sy 29 desambra io avokoa ireo Judokas kalaza malagasy, nisongadina nandritra ny taona. Tena hafana ny fifanandrinana eo amin’ny samy mpikatroka.

Mi.Raz

Partager sur: