Mbola hitampitadiavana ny roa amin’ireo mpanjono rendrika an-dranomasina tao Ankoalamare fokontany Ambodiforaha Sainte Marie. Efa hita omaly kosa ny roa lahy. Ny alahady izy ireo no niainga kanjo izao tra-doza tampoka izao ny lakana nentin’izy ireo. Voalaza fa nofaohin’ny riaka ny lakana nentin’izy efa-dahy. Ny moteran’ilay vedety kosa no hitan’ny fokonolona niaraka tamin’ireo roa lahy natsingevan’ny ranomasina.
Fa nanao izay ho afany koa ny teo anivon’ny tafika an-dranomasina tamin’ny famonjena ireo mpandeha rendrika tamin’ilay sambom-pitateraka MS Iharana ka nitrosona teo amin’ny torapasik’Amparihy Ambolomoy, Taolagnaro, afakomaly. Mpandeha miisa 30 no tao anatin’io sambo ka avotra avokoa ny 29 raha tsy hita popoka fa lasan’ny rano ny iray. Nampiasa ny fitaovana rehetra teo am-pelatanany ny tafika an-dranomasina miampy ny fifanomezan-tanana avy amin’ireo tompon’andraiki-panjakana ao amin’ny faritra Anosy sy ny sampandraharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy.
J.C