Hampiova tanteraka ny tontolon’ny habakabaka eto amintsika ny kaompania Emirates. Mpandeha 360 isaky ny sidina inefatra, isan-kerinandro, no taterina, mampitohy mivantana an’i Dubaï-Antananarivo.
Nigadona voalohany teny amin’ny serananam-piaramanidina Ivato Antananarivo, omaly, tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro, ny fiaramanidina Boeing 777-300ER an’ny kaompania Emirates. Nitsena azy ny filoha Rajoelina Andry sy ny delegasiona maro. Nilaza ny filoha lefitra sady tale ara-barotra, i Adnan Karim, fa «nosafidianay i Madagasikara ho anisan’ireo firenena ahitana ny zotran’ny Emirates. Satria, noho ny fananany karazan-javaboahary maro sy kolontsaina isan-karazany. Faly izahay manohana ny vinan’ny governemanta malagasy hisarika mpizahatany 1 000 000 isan-taona, amin’ny taona 2028». Nomarihin’ny filoha Rajoelina Andry fa «hanamafy ny hafainganam-pandeha ho an’ny fampandrosoana ny fizahantany, indrindra ny toekarena, ny fisian’ity zotra vaovao ity.
Hitombo ny avy aty Madagasikara mankany Dubaï, andaniny, ary hisokatra amin’ny vazan-tany ny avy any an-toerana mankaty Madagasikara, ankilany. Miisa efatra isan-kerinandro (talata, alakamisy, sabotsy, alahady) ny sidina mivantana mampitohy an’i Dubai sy Antananarivo, mandalo Seychelles. Misy ny fifanarahana amin’ny Madagascar Airlines, hiantoka ny zotra anatiny, Antananarivo mankany amin’ny faritra be mpizahatany, toy ny any Nosy Be, Toliara, sns».
Malagasy ny mpanamory
Mahazaka mpandeha 360 ny Boeing 777-300ER, ka sokajy «économique» ny 310, sokajy misy fandriana ny 42, ary ho an’ny sokajy voalohany mitokana ny 8. Mihaja ny tolotra omen’ny kaompania ny mpandeha. Ahafahana mijery fandaharana televiziona miisa 6 500 amin’ny tenim-pirenena maro. Maro ny karazan-tsakafo azo isafidianana, indrindra ho an’ny mpandeha amin’ny sokajy voalohany.
Niavaka koa ity sidina
voalohany, omaly, ity. Mpanamory malagasy, Solo Chuk (premier officier), no nitondra ilay fiaramanidina Boeing 777-300ER, niaraka tamina teratany kanadiana, ny kapiteny Bruce Pope. Efa nitondra fiaramanidina tao amin’ny Emirates izy nandritra ny 14 taona.
Njaka Andriantefiarinesy