Hotanterahina eny amin’ny Avenue de la gare Antsirabe, ny 5 ka hatramin’ny 7 septambra, ny «Vitrine du Vakinakaratra» andiany faha-26. Hetsika ara-toekarena ho fanandratrana ny vokatry ny fambolena sy ny indostria ao an-toerana. Hiavaka tanteraka ity andiany ity noho izy hitodika any amin’ny hoavy. Izany hoe, hiompana tanteraka amin’ny famokarana maharitra ny lohahevitra, hoy ny mpikarakara, Fivondronan’ny orinasan’ny Vakinankaratra (Fiova). Izany hoe, manao vokatra sy manome tolotra mitodika any amin’ny tsena. «Fomba fijery lavitra no apetraka hampaharitra ny famokarana», hoy ny fanazavana voaray. Tokony hampitombo ny velarantany volena sy hampiasa ireo fitaovam-pamokarana manara-penitra ny tantsaha hanatsarana sy hampitomboana ny vokatra. Tokony hampiasa ireo masomboly voafantina ihany koa izy ireny ary tokony hifanaraka amin’ny filàna ny zezika. Fotoan-dehibe iray hampahafantaran’ireo mpandray anjara ny fahaiza-manaony sy ny kalitaon’ny vokatra ny hetsika.
Mpandraharaha
Toy ny fanao isan-taona, misokatra ho an’ireo mpandraharaha samihafa mampalaza ny faritra Vakinankaratra ny hetsika. Ao anatin’izany ireo mpamboly, mpiompy, mpanao asa tanana, ireo orinasa madinika sy salantsalany. Ao ihany koa ireo orinasa vaventy, indostria, banky, ny orinasa fifandraisan-davitra sns. Ankoatra izay, fotoana iray hampahafantaran’ireo mpisehatra samihafa ny tohana sy ny tolotra ho an’ireo mpandraharaha ara-toekarena ny «Vitrine du Vakinankaratra» andiany faha-26. Hisy ny lohahevitra hovoaboasana ho an’ny fampandrosoana ny fandraharahana mandritra ny telo andro.
Henintsoa Hani