Anosibe Tsena : mpamongady notafihin’ny jiolahy, lasa ny volabe

Nirefotra indray ny poa-basy teny Anosibe Tsena, omaly hariva. Mpamongady iray akaikin’ny tetezana mavo no lasibatry ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Jiolahy dimy nandeha moto no voalaza fa tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Niditra an-keriny tao amin’ilay trano fivarotana ry zalahy sady nandrahona tamin’ny basy. Nentin’ny tahotra ireo olona tao am-pivarotana ka nanome vola an-tapitrisany tanaty baoritra, araka ny fampitam-baovao voaray teny an-toerana. Lasa nitsoaka tamin’ ny moto ny efatra tamin’ireo mpanafika nitondra ny vola raha niporitsaka lalan-kafa kosa ny jiolahy iray. Tonga teny an-toerana ny polisin’ny Sag nanenjika ireo olon-dratsy.
Maty voatifitry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Foibe Toliara tao Bekomondro fo­kon­tany Tsongobory Toliara ny jiolahy roa tompon’antoka tamina fikasana hanao asan-jiolahy tao amin’io fokontany io, afakomaly. Raha ny fanazavan’ny polisy, dimy lahy izy ireo no nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’io toerana io. Nanao vela-pandrika ny po­lisy ka tratra teo am-piomankomanana ny hanao fanafi­hana ry zalahy. Tsy nety ni­voaka izy ireo rehefa nasain’ ny polisy nivoaka. Nifamaliana ny tifitra ka raikitra teo ny fifanjevoana. Vokany, maty voati­fitra ny roa tamin’ireo jiolahy raha tafaporitsaka kosa ireo namany.

J.C

Partager sur: