Tanterahina ao Pékin, Chine, nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso ny fihaonana an-tampony fahasivy eo amin’ny fiaraha-miasa Sino-Afrikanina (Focac). Mandray anjara mavitrika amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’ireo Tomponandraikim-panjakana maro any an-toerana.
«Mifanome tanana hampiroboroboana ny fivoarana ary hanangana vondrona Shina-Afrika avo lenta miaraka amin’ny hoavy iombonana» no lohahevitry ny Focac. Anisan’ ny filoham-panjakana afrikanina 52 handray anjara amin’izany ny filoha malagasy, Rajoelina Andry, miaraka amin’ny vadiny tonga any an-toerana, omaly. Sambany hitondra ny heviny i Madagasikara, fa tsy ho mpanatrika fotsiny. Andrasana ny fihaonan’ny filoha malagasy amin’ny filoha sinoa, i Xi Jinping, inoana fa fanamafisana sy fanitarana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Eo ny fandinihana ireo tetikasa lehibe vatsian’ny governemanta sinoa vola.
Ankoatra ireo, misy ihany fihaonana amina Tomponandraikitra maro samihafa ho fanatanterahina ny fanamby sy vinam-pampandrosoana maro eto Madagasikara. Anisan’izany ny fihaonan’ny filoha malagasy amin’ireo tomponandraikitra sinoa sy afrikanina hafa. Anisan’izany ny talen’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) misahana an’i Afrika, hifampidinihana ny fanohanana sy famatsiam-bola ny fanatanterahana ireo tetikasa lehibe ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Tombanana ho maro ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny governemanta malagasy sy ireo orinasa lehibe any an-toerana maniry hampiasa vola eto Madagasikara eo amin’ny sehatry ny angovo, fambolena, fizahantany, fitaterana, indostria, fanamboaran-dalana…
Tsiahivina fa hisy ny fanambarana iombonana, eny am-piafaran’ity fihaonambe ity. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny famolavolana izany ihany koa i Madagasikara. Laharam-pahamehana napidirin’ny solon-tena Malagasy tamin’izany ny fisitrahana ny angovo azo havaozina, ny fampidirana ny mpiasa malagasy ao amin’ny orinasa sinoa sy ny fanofanana azy ireo amin’ny alalan’ny fifampizaràna traikefa, ny ady amin’ny fanararaotana sy ny fanondranana olona tsy ara-drariny, ny fiaraha-miasa ho fanatsarana ny fikarohana ara-pambolena, ny fiarovana ny tontolo iainana, ary ny fifampizaràna traikefa sy fahaiza-manao manokana.
R. Nd. sy Lin