Fikasana hanao fotoam-bavaka : voasakan’ny Emmo/Reg ny fidirana tao amin’ny Magro

Tsy tanteraka ! Nifandresy lahatra ireo depioten’ny Fi­raisankina sy ny avy amin’ny Emmo/Reg ny amin’ny tokony hanatanterahana ny fotoam-bavaka etsy Magro Behoririka. Nambaran’ny depiote Ran­drianasoloniaiko Siteny fa tsy ho avy amin’izy ireo ny korontana. “Inona ny tsy fanarahan-dalana raha amin’ny toerana manokana an’olon-tsotra no angatahana fitahiana hilatsahana hofidiana…?”, hoy izy. Nanterin’ny depiote Razafi­manantsoa Hanitra kosa fa efa alina vao voaray ny fandavan’ny prefektiora izao fikasan’izy ireo izao. “Efa tafapetraka avokoa ny fitaovana rehetra vao ambara aminay fa hafindra any Tanjombato… Tsy ho kandidà any amin’io kaominina io anefa ny filoha Ravalomanana fa hirotsaka eto Antananarivo Renivohi­tra”, hoy izy.
Namaly izany ny avy amin’ny Emmo/Reg, notarihin’ny Kly Raoelijaona Tojo nilaza fa mpanao lalàna ny depiote ka efa iny izany ny valiny avy amin’ny prefektiora. “Mana­tan­teraka ny voasoratry ny lalàna izahay fa tsy omena anareo ny toerana”, hoy izy. Nihazo ny teny amin’ny Ceni ireo depiote avy eo ary nihaona tamin’ny Prefet koa. Fantatra fa hifampidinika amin’ny ny OMC ny prefektiora ka andrasana ny ho tohiny anatin’ny fotoana fohy.

Synèse R.

Partager sur: