Depiote Gascar Fenosoa : « Aoka hatsahatra ny sakantsakana amin’ny endriny samihafa »

Naneho hevitra avy hatrany ny depiote Gascar Feno­soa taorian’ny fanakanan’ny Emmo/Reg ny kandidà Rava­lomanana Marc sy ny Tim nikasa ho etsy amin’ny Magro Behoririka, omaly. Nanteriny fa efa ankatokin’ny fifidianana izao ka fomba fanao repoblikana any amin’ireo tany de­mokratika ny manao hetsika, mialoha ny fampielezan-kevitra. “Natao hifampizarana sy hifanentanana handeha hifidy ary indrindra iresahana ny programaman’asan’ny kandidà izany. Ny antsika anefa izao sakanana. Avelao haneho hevitra ny olona fa aza sakanana”, hoy izy. Nanteriny fa taratry ny fahalalahan-tsaina sy maha demokraty ny mpitondra sy ny firenena iza­ny.
Mbola nambarany ho sa­kantsakana koa ny momba ny kandidà mpanolontsaina avy amin’ny Mouvement Gasikara MG. Nanatona ny sampan-draharahan’ny hetra haka ny « état 211 bis » ka noterena hanangana orinasa sy handoa hetra 4 taona raha 200 000 Ar ny iray taona. “Tokony handoa 800 000 Ar izany izy vao mahazo ilay taratasy ahafahany milatsaka hofidiana”, hoy izy. Niaiky ny tenany fa tokony handoa hetra ireo manana anton’asa. Mbola betsaka anefa ireo sahirana, indrindra ireo any ambanivohitra te ho kandidà handray anjara amin’ny fiainam-pirenena hiandrandrana fanovana. “Voasakana sahady izy vao manangona ny antontan-taratasy ka tokony hojeren’ny mpitondra sy ny Ceni izany”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: