Fitrandrahana vatosoa : napetraka ny ivontoerana fanofanana

Nakambana ho rafitra iray ny Sampandraharaha misahana ny fanofanana mahakasika ny vatosoa sy ny Laboratoara manao fitiliana ny harena an-kibon’ny tany samihafa. Hisy rafitra iray koa hiandraikitra ny fifanakalozan-kevitra raha sendra misy ny olana.

Hisahana ny fanadihadiana mahakasika ny vatosoa (gemmologie) ny Biraon’ny jeolojia, ny vatosoa ary ny laboratoaran’ny harena an-kibon’ny tany (BGGLM). Andraikiny koa ny fanomezana fanamarinana ara-dalàna ireo vokatra ambanin’ny tany izay nosahanin’ny Laboratoaran’ny harena an-kibon’ny tany eto Madaga­sikara (L2M) teo aloha, sy ny Biraon’ny jeolojia sy ny momba ny vatosoa eto Ma­dagasikara (BGGM) teo alo­ha. Foana, araka izany, ireo didim-panjakana (2021-277), nivoaka ny marsa 2021, ma­maritra ny sata mifehy ny BGGM, sy ny didim-panjakana 2019-1998, nivoaka ny novambra 2019, mamaritra ny sata mifehy ny L2M. Nanka­toavin’ny filankevitry ny minisitra ny 4 septambra teo ny didim-panjakana manangana ny BGGLM.

Fanavaozana, entin’ity didim-panjakana ity ny fanitarana ny andraikitry ny BGGLM. Anisan’izany ny fa­nomezana fampiofanana ho an’ny mpandraharaha na ny daholobe mahakasika ny fa­nadihadiana ny vatosoa (gemmologie). Eo koa, ny fahafahany manome tolotra, manao fitiliana ara-teknika ny vatosoa ataon’ny laboratora ho an’ireo mpitrandraka indostrialy.

Komitim-pirenena

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ihany koa ny didim-panjakana mamaritra ny sata mifehy ny Komitim-pirenena momba ny harena an-kibon’ny tany (CNM). Mifana­raka amin’ny fehezan-dalana vaovao vao nivoaka ny fananganana ity komity ity. Sam­pandraharaha hisahana ny fifanakalozan-kevitra, ny fanamorana, ny fifampidinihina ary ny fampihavanana ny CNM. Navoaka ny didim-panjakana mba hampanara-dalàna azy, ho Sampandraharaham-panjakana manana sokajy ara-toekarena (Etablissement publics à caractère administratif à vocation économique).

Njaka A.

Partager sur: