Minisitry ny Foloalindahy : « Tsy maintsy hapetraka ny filaminana sy ny fandriampahalemana »

Namory ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy sy ny Etamazaoro ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin omaly, teny Ampahibe.

Tao anatin’izany no na­naovana tombana ireo asa vita. Hentitra ny toromarika nomeny amin’ny tsy maintsy hametrahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana maharitra eto Madagasikara, satria izany no andraikitra voalohany sahanin’ny Foloalindahy. «Tsy misy olona afaka mampandroso firenena raha tsy misy ny fandriampahalemana», hoy ny MFA. Nambarany fa ho an’ny Tafika malagasy, mifanaraka hatrany amin’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana ny asa sy ny ezaka rehetra atao. Endrika iray tokony ho hita ihany koa ny tafika maoderina miantoka ny fiandrianam-pirenena.

Mitohy ny fanenjehana ireo olon-dratsy
«Tafika manakaiky vahoaka ary miantoka ny fandriampahalemana sy ny filaminana maharitra, izany no anisan’ny laharam-pahamehana, hatrany amin’ny tontolo ambanivohitra sy ny faritra voasokajy ho mena amin’ny asan-dahalo», hoy izy. Noresahana nandritra ity fivoriana ity koa ny fandrindrana asa amin’ireo minisitera hafa mba hampahomby ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Momba ny raharaha Anjozorobe, mitohy ny fametrahana fandriampahalemana ataon’ny Hery fiarovana sy filaminana mikaroka ireo olon-dratsy ka manentana ny rehetra hatrany ny minisitra hifanome tanana amin’ny fanomezana angom-baovao ho an’ny mpitandro filaminana. «Tsy miraviravy tanana ny mpitandro filaminana amin’ny fametrahana paikady manakaiky vahoaka. Raha tsy misy ny fifanomezan-tanana eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka dia harisarisa ny tsy fandriampahalemana», araka ny nambarany.

Jean Claude

Partager sur: