Miadana Anjozorobe : mpaka an-keriny voatifitry ny zandary

Maty voatifitry ny zandary tao Miadana kao­minina am­banivohitr’Ambohibary Vohile­na dis­trikan’Anjozorobe, afakomaly hariva ny jiolahy iray naka an-keriny ankizivavy 9 taona. Nalaina an-keriny saingy tafaporitsaka sy afaka niantso vonjy ny lasibatra. Henon’ny fokonolona teo an-tanàna izany ka raikitra ny fifanenjehana. Voasoroka mialoha ny fikasan-dratsin’ilay jiolahy noho ny fiaraha-mientan’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Tonga malaky sy ara-potoana ny mpitandro filaminana.
Mafy ny fifanoherana satria naratra ny iray tamin’ireo fokonolona nanenjika. Nitohy ihany ny fitsoahan’ilay jiolahy ka voatery nitifitra ny mpitandro filaminana. Vokany, maty tsy tra-drano izy. Tao­rian’ny fanadihadiana no nahafantarana fa isan’ireo jiolahy ao anatin’ny tambajotra mpaka an-keriny sy mpanao fanafihana mitam-piadiana ity maty voatifitra ity. Mpiray tendro tamin’ireo mpa­ka an-keriny nampihorohoro ao amin’ny distrikan’Anjozo­robe. Nentina namonjy hopitaly haingana ilay naratra. Mi­tohy hatrany ny hetsika ataon’ireo mpitandro filaminana ao anatin’ny hetsika «Harato II».

J.C

Partager sur: