Natsidiky ny PDS, kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny fandaharanasany, amin’izao nandraisany ny fitantanana izao. Noresahiny koa ny momba ny lafiny politika, nanoloana ny mpanao gazety tetsy Analakely, omaly.
Valin-teny tsotra. “Miasa aloha izao isika fa tsy mbola misy resaka filatsahan-kofidina. Ho hitantsika eo ihany amin’ny 19 septambra ny fahafantarana ny kandidà”, hoy izy. Momba ny fandaminana ny tanàna kosa, nambarany fa anisan’ny hanombohana ny fanatsarana sy ny fanavaozana ary ny fanadiovana hatao ny etsy amin’ny araben’ny Fahaleovantena. Hiitatra any anivon’ny boriborintany izany avy eo.
Ankoatra izany, nampanantena ny tenany fa ho voaloa avokoa ny karaman’ny mpiasan’ny CUA hatramin’ny faran’ny taona. “Harindra ny fampidiram-bolan’ny CUA ahafahana manatanteraka ny asa rehetra hatao”, hoy ihany izy. Hojerena koa ny fifampizarana andraikitra momba ny fanamboaran-dalana ary hifampidinihana amin’ny fanjakana foibe izany. Manampy ireo ny hametrahana ny fomba fiasa hitantanana ny tsena rehetra eto an-dRenivohitra ka iarahana midinika amin’ireo mpisehatra amin’izany ny fandaminana.
Ny toky fitaka…
Etsy andaniny, anisan’ny noresahiny koa ny momba ny fitantanana ny SMGD ka nambarany fa ifampiresahana amin’ny mpitantana ny CUA teo aloha, ny minisitra Andriantsitohaina Naina, izany.
Manoloana izany rehetra izany, niantsoany ny fanjakana sy ny mpiara-miombona antoka ary koa ny mponina ny fiaraha-miasa. Teo koa ny nametrahany fanamby ny amin’ny fitantanany an’Antananarivo Renivohitra. “Zanak’Antananarivo aho ka hiezaka hitondra fanovana sy fanatsarana na dimy volana fotsiny ihany aza ny eto. Ny toky fitaka fa ny atao no hita… Antsika ity tanàna ity ka haverina ny hasiny, koa misokatra amin’ny hery rehetra izahay”, hoy izy.
Synèse R.