Naiditra am-ponja eny Tsiafahy: Tratra ireo jiolahy nanolana sy nanindrona antsy

Aiza ihany ilay fampiharana ilay lalàna momba ny famosirana? Naiditra am-ponja eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, afakomaly alina, ireo jiolahy telo voarohirohy ho tompon’ antoka tamin’ny famonoana ilay ankizivavy 6 taona hita faty teo akaikin’ny biraon’ny fokontany Belambanana Andoha­ra­nofotsy, ny 29 aogositra 2024 teo. Ny zandary avy ao amin’ ny tobim-paritra Andohara­nofotsy no nahita ity fatin’ilay ankizivavy. Nanao fizahana niaraka tamin’ny mpitsabo ny zandary ka tao anatin’izany no nahitana fa efa tsy nisy aina intsony ity ankizivavy ity. Nahitana tsindron’antsy ny tendany ary mbola hita teo akaikiny ny antsy namonoan’ ireo jiolahy azy. Tsy nitafy in­tsony koa ny tapany ambany amin’ny vatany. Nambaran’ny fizahana nataon’ny mpitsabo fa simba noho ny fanolanana azy ny fivaviany. Nitohy ihany ny fanadihadiana nataon’ny zandary sy ny angom-baovao rehetra.
Tao anatin’izany no nahafantarana ireo jiolahy tompon’ antoka tamin’ity vonoan’olona feno habibiana ity. Jiolahy iray tratra voalohany niaraka tamin’ ny porofo tsy azo lavina teny aminy ka anisan’izany ny dian-drangotra teo amin’ny tarehiny sy ny tratrany, ny akanjony nahitana ra. Tao anatin’ny famotorana no nanoroany ireo namany niray tsikombako­mba taminy. Nilaza ry zalahy fa niantso vonjeo ilay ankizy niharam-boina no antony namonoan’izy ireo azy.

J.C

Partager sur: