Raharaha  Box Miami: Pasitora iray afaka noho ny fisalasalana

Ny talata 3 septambra teo, nivoaka tetsy amin’ny Lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina  ny didim-pitsarana mahakasika ny fisolokiana sy fakana vola tsy ara-drariny aman’olona, izay anenjehana ny mpiasan’ny kaominina ambonivohitr’ i Toamasina sasantsasany.

Naka vola tamina mpandraharaha mitotaly 85 tapitrisa Ariary, ho tambin’ny fanomezana anjara toerana hahazo Box  ao Miami ireo olona nanao fisolokiana, araka ny antontan-taratasin’ ady laharana faha-2126/ RP/24 IS/RP/SG. Vokany, fahafahana noho ny fisalasalana RBD ( Relax Bénéfice de Doute) ho an’ny pasitora iray izay tsy nanatrika ny fotoam-pitsarana, raha sazy mihantona enim-bolana kosa ho an’ny voampanga niaraka ta­miny. Ny alakamisy 22 aogositra teo ny fotoam-pitsarana ny raharaha izay nahavosaringotra ireo ahiahiana. Nazava ny fiarovan-tenan’ny voampanga fa amin’ny maha mpiasa azy dia ny ben’ny Tanàna lefitra fahatelo no naniraka azy naka ny vola ary niaraka taminy rahateo ka natolony ity lefitra fahatelo ity ny vola rehetra.

Manome vahana ny mpiasan’ny kaominina…
Kadoa kosa no nomen’ny Pastora azy, pasitora lefitra fahatelon’ny ben’ny Tanàna izay tsy tonga nanatrika ny fotoam-pitsarana rahateo ny andron’ny 22 aogositra teo. Nohamafisin’ireo voampanga, nandritra ny fotoam-pitsarana, fa tsy misy idiran’izy ireo dia ny mpitantam-bolan’ny kaominina sy ny mpanolotsaina manokan’ny ben’ny Tanàna CS, ny raharaha fa izy sy ny Pasitora lefitra fahatelo no tena nifampizara ny vola. Raha iverenana, tsy anisan’ny  nahazo tamin’ny fizarana ilay Box ilay mpandraharaha nanome vola ireto mpiasan’ny kaominina ireto nandritra ny fizarana izany, ny 17 jona, fotoana izay nandalovan’ny filohan’ny Repoblika teto Toamasina. Ho an’ny mpanara-baovao, didim-pitsarana manome vahana ny mpiasan’ ny kaominina hanao asa fisolokiana sy fakana vola aman’olona ny didy navoakan’ny fitsarana ka mety hitarika ny mpiasa sasany hanaotao foana izany.

Sajo

Partager sur: