Nandritra ny hetsika fampandrian-tany sy ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina no nahatraran’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra notarihin’ny manamboninahitra mpandrindra ny faritra Betioky Atsimo, afakomaly, izao vokatra izao. Rongony tanaty gony miisa 12, milanja 180 kg ny fitambarany no saron’ny zandary nandritra izany. Tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Itampoko sy Androimpano, distrika Ampanihy Andrefana no nahazoana ireto zava-mahadomelina marobe ireto. Fantatra fa tambajotra goavana mihitsy no ambadik’ity trafikana zava-mahamadomelina ity. Misy
amin’izy ireo no mamboly, ao kosa ireo mividy izany hampiakarina aty an-dRenivohitra. Nanamafy ny zandary fa mitohy ny hetsika ary tsy mijanona raha tsy fongana tanteraka ny zava-mahadomelina amin’iny faritra iny. Nodorana avokoa ireto rongony marobe tratra ireto.
Tsiferana R.




