Sahy mivarotra ny fahadiovana mihitsy! Natolotra ny fampanoavana ny zoma lasa teo, taorian’ny famotorana nataon’ny polisy, ny teratany frantsay iray sy ny sakaizany ka samy naiditra am-ponja eny Antanimora. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha fanararaotana ara-nofo izay manana endrika fanondranana olona izy ireo. Ny talata 3 septambra 2024 izy ireo no voasambotry ny polisy teny Ambohibao. Tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny polisy no nahafantarana fa ireo vehivavy mbola virijiny no tena tadiavin’ity lehilahy teratany frantsay ity mba hanaovany firaisana ara-nofo. Nolazainy fa io vehivavy sakaizany io ihany no mpiray tsikombakomba aminy sady mikaroka sy mandray ireo tovovavy virijiny ireo ary mitondra azy eny amin’ny hopitaly mba hanaovana fitiliana ara-pahasalamana. Ireo tovovavy marefo no tena lasibatra. Ampanantenain’izy ireo fa hoentina any ivelan’i Madagasikara ireo tovovavy ka roboka tokoa manao ny filan-dratsin’ity vazaha ity. Voalazany fa efa hatramin’ny taona 2018 izy no nivezivezy teto Madagasikara. Hita tao anaty findainy koa ny horonantsary mamoafady hiarahany amin’ireo tovovavy mandritra io fanararaotana ara-nofo io. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.
Jean Claude




