Vaky kodiarana aoriana tampoka, mpandeha miisa 17 tao anatin’ny taksiborosy niharan-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, tao amin’ny PK 180+900, ny sabotsy 7 septambra teo. Mampitohy an’Ambatoboeny sy Antananarivo io taksiborosy io. Vaky tampoka ny kodiarana aoriana avy ao amin’ny ilany havanan’ny fiara, tamin’ny 4 ora maraina. Tsy voafehin’ny mpamily intsony ilay sprinter ka tafavoaka ny arabe. Nivadika ny fiara. Vokany, olona miisa 17 tamin’ireo mpandeha naratra. Nentina namonjy ny toeram-pitsaboana eo anivon’ny CSBII Mahatsinjo izy ireo. 17 Taona ny zandriny indrindra tamin’ireo lasibatra. Tsy nisy aina nafoy saingy potika ny fiara. Niroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny polisim-pirenena ao Maevatanana. Marihina, matetika hitrangan’ny lozam-pifamoivoizana vokatry ny tsy fanajana hafainganam-pandeha sy tsy fanaraha-maso amin’ny tokony ho izy ny lafiny teknika ny fiara miasa eny anivon’ny lalam-pirenena tato ho ato.
Tsiferana R.