Soarano: tsena efatra indray kilan’ny afo

Tsena efatra no kilan’ny afo teny amin’ny tranobe Ramaroson Soarano, omaly maraina. Any amin’ny rihana ambanin’ny tany no misy ity fivarotana nirehitra ity. Mivarotra momba ny kojakoja fampiasa amin’ny birao, araka ny tatitra nampitain’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina, ny komandà Ralaivao Eric. Nambarany fa fikasohan’ny herinaratra no nitarika ny firehetana. Naharitra teo amin’ny adiny roa teo ny famonoana ny afo, raha ny filazan’ity lehiben’ny mpamonjy voina ity hatrany.
Fa toeram-pivarotana iray eny Andravoahangy koa nirehitra omaly. Fipoahana herinaratra koa no voalaza fa nahatonga ny firehetana. Toy izany koa ny teny Ampasika, trano lehibe iray misy rihana efatra no kilan’ny afo. Mitovy avokoa ny fitrangan’ny loza satria vokatry ny fipoahana herinaratra, araka ny tatitra nampitain’ny mpamonjy voina. Tsy nisy ny aina nafoy na teo aza ny firehetana.

J.C

Partager sur: