Saron’ny polisy tao amin’ ny fokontany Bazarikely Antsiranana, ny alahady maraina teo, rehefa nokarohina hatramin’ny sabotsy 7 septambra 2024, ny lehilahy iray nangalatra vola. Vola mitentina 65 tapitrisa Ar no nalainy tao amin’ ny orinasa niasany tamin’io fotoana io. Niafina tao amin’ny efitrano iray ao amin’ny orinasa ity tovolahy mpiambina ity tamin’ny ora firavana. Nivoaka namaky ilay vatamafihidy nisy ny vola izy, nony tamin’ny 9 ora alina. Tampoka nefa naneno ny kiririoka fanairana fa misy olona tafiditra tao amin’ ny orinasa. Namonjy ny orinasa ny tomponandraikitra amin’ny fiambenana sivily. Tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo no nanararaotra nitsoaka ity tovolahy ity niaraka tamin’ny vola. Hita tao anatin’ny caméra de surveillance avokoa nefa ireo fihetsika nataon’ity jiolahy ity nandritra ny famakiana ny vatamafihidy misy ny fitoeram-bola. Izany rahateo no nahafahana namantatra azy.
Efa tafaverina tamin’ny tompon’ny orinasa avokoa ny vola norobainy. Mitohy kosa ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.
J.C