Nitrangana fanafihana mitam-piadiana mahery vaika indray tao Belobaka, distrika Tsiroanomandidy, ny faran’ny herinandro teo. Mpianaka mitazona epi-bar no notafihin’ny jiolahy. Tsy nanaiky lembenana fa nanohitra ireo olon-dratsy ilay raim-pianakaviana ka notsatohin’ireo jiolahy antsy ny vatany sady notifirin’izy ireo. Feno dian’antsy ny lohany sy ny vatany, tapaka ny rantsan-tanany. Torana tsy nahatsiaro tena izy. Tsy vitan’izay fa nivoraka hatramin’ny tsinainy noho ny herisetra nataon’ireo olon-dratsy. Jiolahy maromaro no niditra an-keriny nanafika azy mianaka tamin’ny fotoana hikatonan’ny tsena. Poa-basy sy tsatok’antsy no nihatra tamin’ilay raim-pianakaviana. Vokany, naratra mafy ilay raim-pianakaviana tompona fivarotana. Voalazan’ny fampitam-baovao fa nisy vola lasan’ireo mpanafika nandritra izany. Fotoana fohy taorian’ny fanafihana, tonga ny mpitandro filaminana nanenjika ireo jiolahy. Raikitra ny fifampitirana saingy tsy mbola fantatra hatreto ny momba ireo jiolahy. Efa nidina any an-toerana ny zandary miaraka amin’ireo mpitandro filaminana hanampy tosika amin’ny fikarohana io andian-jiolahy io. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ilay raim-pianakaviana niharam-boina.
J.C