TSELATRA

Fatin-dehilahy hita teny amin’ny fokontany Anosizato Atsinanana I, omaly. Mpandalo no nahatsikaritra ny vatana mangatsikan’io lehilahy io. Niantso ny tomponandraikitry ny fokontany sy ny mpitandro filaminana avy hatrany ny fokonolona. Niezaka namantatra io olona io ny manodidina saingy tsy hain’izy ireo io olona namoy ny ainy io.
Taksibrosy iray mampitohy an’Antananarivo sy Ambatolampy nidona tamin’ny sisin-dalana teny Amboanjobe, lalam-pirenena faha-7, omaly. Tsy nandoa saran-dalana ny mpandeha iray . Navoaka io mpandeha io, araka izany. Notorahany anefa ny fitaratry ny fiara. Niakatra ny hatezeran’ilay mpamily ka nivoaka hanenjika io mpandeha navoaka io. Nihemotra tampoka ny fiara ka nidona tamin’ny sisin-dalana. Tsy nisy aina nafoy saingy potika ny fiara.
Lavon’ny tifitry ny mpitandro filaminana ny jiolahy raindahiny fantatra amin’ny solon’anarana Lemainty tao kaominina Anahidrano, distrikan’Antsohihy, omaly. Tomponatoka tamin’ny halatra omby tao amin’ny tanàna manodidina toy ny tao Ankerika, Anjiamangirana, Ambalafaminty io olon-dratsy io. Nanao hazalambo azy ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Tratra tao Betomendry ity dahalo ity. Omby 46 tafaverina amin’ny tompony.
Fasana efatra nasesin’ny olon-dratsy novakiana tao amin’ny tanànan’A mbobeloma, fokontany Miada­man­jaka, kaominina Ambatomanga, distrikan’Arivo­nimamo, ny alin’ny alatsinainy teo. Olona handeha hiasa eny an-tsaha no nahatsikaritra fasana nisokatra. Niantso ny fokonolona sy ny tompom-pasana izy. Nosavaina ny tao anatin’ny fasana saingy efa nokorotanin’ireo tsy valahara ny razana tao anatiny. Ankoatra io, fasana telo hafa vaky.

Partager sur: