Hanatitra vola ao amin’ny Cecam : mpianaka notafihin’ny jiolahy nitondra basy

Nitrangana fanafihan-jiolahy nitondra basy indray tao Andrefan’Amboasary, fokontany sy kaominina Vinany distrikan’i Mandoto, afakomaly. Nahazo loharanom-baovao mialoha avy amin’ny sefo fokontany Ampasatokana kaominina ambanivohitr’i Vi­nany, distrikan’i Mandoto ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ankazomiriotra fa nisy jiolahy roa nanafika tao amin’io fokontany io, afakomaly maraina tamin’ny 8 ora. Mpianatra ireto niharan’ny fanafihana ireto. Voalaza fa hanatitra vola 1 500 000Ar ao amin’ny Cecam ao Vinany izy mianaka no narahin’ireo olon-dratsy ka notafihin’izy ireo. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny fokonolona nanenjika ireo jiolahy ka azo sambo-belona izy roa lahy. Nahitana basy PA marika Made in France sy bala valo teny amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny zandary. Nandritra ny famotorana savaranonando no nilazan’izy ireo fa nisy olona naniraka hanao io fanafihana io izy roa lahy. Mipetraka any Tritriva An­tsirabe ity atidoha nikotrika ny fanafihana ity. Tafeverina tamin’ny tompony avokoa ny vola rehetra nalain’ireo jiolahy. Notazonin’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Anka­zomiriotra ireto olon-dratsy ireto. Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary .

Jean Claude

Partager sur: